Sport

Taekwondo Efa niditra fampivondronana sahady


  • Talata 04 Aprily 2023

Vonona hanatratra izay fara heriny ny taekwondo malagasy raha araky ny filazan'ny filohan'ny federasiona Christian Ramanantsoa.

Narahiny asa avy hatrany izany satria dia efa nanomboka ny fampivondronana sahady izy ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy. Na dia mbola soavaly miato-bilina aza hatreto noho ny ministeran'ny Fanantanjahantena mitazam-potsiny dia tsy mikely soroka ireo teknisianina mamory mpikatroka 63. Tsy maintsy izay ho izy ireo no navondrona satria dia ny telo voalohany isan-tsokajy nandritry ny fiadiana ny ho tompodakan'i Madagasikara roa farany ireo Ary ao vao tena ady satria iray ihany no solontena any amin'ny Lalaon'ny Nosy amin'ireo sokajy hifaninana. Izany hoe valo lehilahy sy valo vehivavy eo amin'ny ady ary efa-,dahy sy efa-bavy indray any amin'ny poomse. Medaly vokamena 24 izany no hifandrombahana ka tsy tokony hatao tandrevaka raha mba mikatsaka ny ho voalohany amin'ny filaharana ankapombeny isika Malagasy. Saingy tsy tena izay angamba ny tanjona matoa ny fivoariana hatramizao no betsaka eo anivon'ny MJS. Sady mbola ireo mpitarika teo aloha ihany no eo fa toa tsy sahy nanova ekipani Haja Resampa. Asa na mety mbola misy dian-tanan'i Tinoka Roberto angamba ao. Mampieritreritra ...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT