Sport

Taebo – Varavarana misokatra Maherin’ny 60 no namaly ny antso


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010


Afa-po tamin’ilay varavarana misokatra nokarakarainy ny sabotsy 10 aprily teo tetsy amin’ny foiben-toerana fanaovany fanazarantena etsy amin’ny Beauty Center Antanimena ny fikambanana MTBA (Madagascar Taebo Association). Nahatratra 60 mahery ireo liana ary nandray anjara tamin’ny fanazarantena maimaimpoana nokarakarain’izy ireo izay notarihin’ireo mpampianatra mirahavavy, Randrianarisoa Francia sy Ranaivoson Vero. Tsiahivina fa telo taona izao no nitsanganan’ity fikambanana ity ara-panjakana teto amintsika. Tanjon’ireto farany ny fampahafantarana misimisy kokoa ity haiady natokana indrindra ho fitaizam-batana ho an’ny fahasalamana ity. Avo roa heny noho ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny klioban’ny Taebo etsy amin’ny Beauty Center no tonga namaly ny antso tamin’ity varavarana misokatra andiany fahatelo ity izay nahatratra maherin’ny 60. Tratra ny tanjona, hoy ny mpikarakara. Dingana manaraka hapetraky ny MTBA mpikarakara ny fanaparitahana ny taranja any amin’ny faritra ka hisantarana izany ny tanànan’i Mahajanga amin’ny volana aogositra izao.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT