Sport

Tae kwon do-“Combat retour” Nisongadina ireo klioba efa zatr’ady


  • Zoma 08 Septambra 2017

Notanterahana tamin’ny alahady 3 septambra teo, tao amin’ny tranompokonolona Sahambavy ny “Combat retour” ho an’ny haiady Tae kwon do WTF.

Telo ireo klioba nandray anjara dia ny TMT (Tae Kwon Do Matsiatra Teen Fianarantsoa), ny Club V7V (Irondro-Mananjary) ary ny Tae Kwon Do Sahambavy Distrika Lalangina. Nisongadina ny avy any Vatovavy Fitovinany tarihin’ny Maître Landys noho izy ireo efa zatra manao fifaninanana satria sokajy efatra (45kg, 50kg, 54kg, 58 kg) dia lasan’izy ireo avokoa ny laharana voalohany lehilahy. Ny 26kg sy 33kg kosa dia ny TMT tarihin’ny Maître Onja no voalohany raha laharana faharoa avokoa ny avy ao Sahambavy izay tarihin’i Maître Tino teo amin’ny sokajy 45kg, 50kg, 54kg ary 58 kg. Nisongadina tamin’ity fihaonana ity i Tahina (45 kg), mpikatroka Tae Kwon Do avy ao Sahambavy izay nanana ny hakingany sy ny fahaizany nampiavaka azy. Afa-po ny mpijery izay tonga namaly ny antson’ny mpikarakara. Nanatrika ny lalao ny Ben’ny tanànan’i Sahambavy Ramahazomanana Andriamanantena. Any Mananjary indray ny manaraka.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT