Super league Suisse

Tafiditra tsara sady nahafaty baolina sahady i Rayan


  • Zoma 07 Febroary 2025

Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys

mifaninana ao anatin’ny Super League Suisse. Manomboka mipetraka ihany koa mazava ho azy ny fitokisan’ny klioba sy ny mpanazatra azy satria tamin’ireo lalao 3 izay nataony, dia efa napetraka ho tompon-toerana avy hatrany izy tamin’ireo 2 farany. Namono ny baolina voalohany ho azy sahady i Rayan ny alarobia alina teo tao anatin’ny lalao fahatelo natrehany sy faharoa naha tompon-toerana azy, tafiditra tao anatin’ny andro faha-22 amin’ny Super League. Nanamontsana 6-1 an’i Yverdon ny Young Boys, ka i Rayan no namono ny baolina faharoa ho azy ireo teo amin’ny faha-9 minitra monja nilalaovana na dia ny toeran’ny vodilaharana afovoany aza no nametrahana ity mpilalao Malagasy mahafehy toerana maro ity. Isan’ny niasa mafy sy nisongadina nandritra ny lalao tamin’ny alalan’ny fanapahana ireo fanafihana nataon’ny Yverdonnois i Rayan. Nandritra ity lalao ity ihany koa no nanamontanan’ny Young Boys ny tifitra tsara mifanandrify tamin’ny « but » an’ny mpifanandrina na « tirs » ho an’ny taom-pilalaovana 2024-2025 satria nahatratra 29. Niakatra ho eo amin’ny laharana faha-7 vonjimaika ao anatin’ny Super League Suisse amin’ny alalan’ny isa 31 noho izany ny Young Boys, raha toa ka manana isa 31 kosa ny Lugano izay eo amin’ny laharana voalohany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT