Sport

Super Coupe Analamanga Natolotry ny USCAR an’ny Ben’ny tanàna ny amboara


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Tonga nanolotra ny amboara “Super Coupe Analamanga” ho an’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 4 septambra maraina, ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) taranja baolina lavalava na ny USCAR (Union Sportive Commune d’Antananarivo Rugby).

 

 Ny antony dia noho ny fandresen’ny USCAR tamin’ny famaranana ny “Super Coupe Analamanga” ny alahady lasa teo ka nahazoany ny amboara. Fifaninanana nokarakarain’ny Tambohobe sy ny CUA izy io. Nanambara ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa enin-kaja sy enim-boninahitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fandresen’ny USCAR izao ary maniry hatrany mba hatanjaka kokoa noho izao ny ekipa. Nankahery sy nankasitraka ihany koa izy tamin’ny ezaka nataon’ny mpilalao ary mbola nitsodrano azy ireo amin’ny lalao manaraka hotanterahina ny 31 septambra ho avy izao hiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Noresahina teto koa ny fanamafisana ny fitondrantenan’ny USCAR izay misy mpilalao 44 mandrafitra azy. Marihina fa efa tompondakan’Analamanga ny ekipan’ny kaominina Antananarivo talohan’ny nahazoany ity “Super coupe Analamanga” ity.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT