Stefano Cusin

Tena mailo amin’ny Barea


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Na eo aza ny maha sangany na hoe favoris ara-taratasy ny ekipam-pirenen’i Kaomoro

eo amin’ny taranja baolina kitra dia naneho fa tena mailo ny mpanazatra azy ireo, Stefano Cusin, raha hihaona amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ny 7 jona izao. Ekipa tena sarotra no sady be traikefa, hoy ity mpanazatra ity, ny malagasy. Mafy eo afovoanin’ny kianja io ekipa io ary tena tsy mendrika ny ho resy mihitsy nanoloana an’i Ghana. Zava-doza amin’ny fotoana rehetra ity ekipa ity. Manana herin-tsaina, mpiady ary tsy mamela-mahazo. Izany rehetra izany, hoy hatrany ity mpanazatra ity, no hanomananay fatratra ary maro ireo horonantsary ezahana fakafakaina hanomanana ny paikady hahafahana mandresy ireto malagasy ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT