Sport

STAR MILALAO ANDIANY FAHA-7 Hotanterahina ny 6 sy ny 7 mey ho avy izao


  • Talata 21 Martsa 2017

Ny 6 sy ny 7 mey ho avy izao indray no hotanterahina ilay hetsika Star milalao andiany fahafito, hetsika ara-panatanjahantena entina hampihaonana ilay mpilalao avy amin’ny orinasa maro isan-tsokajiny.

 

Eny amin’ny kianja filalaovam-baolina Ankatso no hanatanterahana izany izay mahavory mpandray anjara manodidina ny 500 isa hatrany isan-taona.  Hanokafana ny lalao ny fifanintsanana eo amin’ireo ekipa mpandray anjara. Ny 7 mey kosa no hotanterahina avy hatrany ny lalao famaranana ka tafiditra ao anatiny ny lalao baolina kitra ho an’olona fito, ny basket baolina, ny volley baolina ary ny karatra. Ny 13 martsa lasa teo no nanomboka ny fisoratana anarana, hifarana ny 3 mey ho avy izao. Tanjona amin’ny hetsika moa ny hisian’ny firaisankina sy ny fifanohanana eo amin’ny samy orinasa.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT