Sport

STADIUM BARIKADIMY TOAMASINA Nosantarin’ny Ajesaia ny fandresena


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Taorian’ny lanonana fitokanana ny Stadium na kianja manara-penitra ao Barikadimy Toamasina notarihan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly alahady 24 novambra 2019,

 

  dia ny ekipan’ny Ajesaia avy any Bongolava  no nisantatra ny fandresena teo amin’ity kianja mahazaka mpijery miisa 15.000 isa ity saingy nihoatra lavitra  noho izany no nanatrika tao tamin’io omaly io fa feno mpijery tety ambanin’ny “Gradin”. Ny lalaon’ny Club M  Analanjirofo sy ny Ajesaia Bongolava tafiditra amin’ny andro faha-5 amin’ny fifaninanana Pro League Malagasy no narahina ary nampirehetana an’ireo “projecteurs” misy ao. Ny Ajesaia Bongolava no nisantatra ny fandresena voalohany tao amin’ity kianja manara-penitr’i Barikadimy Toamasina ity ka 6-1 no nandresen’izy ireo ny tompon-jaridaina “Club M” tamin’izany. Baolina tafiditr’ilay lohalaharana Yvon ny 5 tamin’ireo( 5’,33’,46’,71’,87’). Vokatra Pro League andro faha-5 hafa : Fca Ihorombe 1 – 0 Tia Kitra Fc Atsinanana, Egeco Plus A/manga 3 – 0 Zanakala Fc M/Ambony, 3Fb Toliara A/Andrefana 1 – 1 Cnaps Sport Itasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT