Sport

Stadium Barikadimy-Toamasina Hahazo kianja sentetika


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Tany Toamasina nitokana zava-bita telo sosona ny minisitra Rafidimanana Narson minisi-panjakana misahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana.

Tany Toamasina nitokana zava-bita telo sosona ny minisitra Rafidimanana Narson minisi-panjakana misahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana. Anisan’ny notokanany ny fametrahana ilay “Guichet Unique” misahana ny raharahan-tany ao Toamasina II, izay tena ahitana ady tany. Ao amin’ny biraon’ny fandrefesan-tany teo aloha amin’ny araben’ny fahaleovantena no nametrahana azy ity. Taorian’izay dia nisy ny fitokanan-dalana, “Rue Lt Emmanuel Berard” sy “Rue Amiral Billard”, izay fiaraha-miasan’ny M2PATE sy ny tsy miankina. Taorian’izay ny fiatrehan’ny minisi-panjakana ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ilay kianja sentetikan’ny Stadium Barikadimy, fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny Fifa. Anisan’ny kianja tsara sy manara-penitra  ity napetraka ity, ka iray volana eo dia ho vita tanteraka ny fanatsarana azy izay naharitra 18 volana niarahana tamin’ny orinasa Frantsay HCB sy ny orinasa Malagasy RHM. Tsy afaka handray lalao baolina kitra anefa ity kianja ity raha tsy misy ny fanatsarana ireo manodidina azy, ka nanome toky Atoa Rafidimanana Narson fa ao anatin’ny enim-bolana no hanaovana izany, mba hahafahan’i Toamasina mandray lalao nasionaly ny volana aogositra ho avy izao. Ilay lanonana teo amoron-dranomasin’Ampasimazava nisian’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny vahoakan’i Toamasina, no namaranan’ny minisi-panjakana ny diany, izay nisian’ny nofon-kena mitam-pihavanana namonoana omby fito sy rindran-kira niaraka tamin’ireo mpanakanto maro.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT