Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Cua na kaominina Antananarivo Renivohitra dia etsy Mahamasina no hamaranan’ny Cisco ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly taranja iombonana amin’ny alarobia 12 aogositra ho avy izao
. Raha ny marina, hoy Atoa Ratsimandresy Ludovic izay filoha lefitry ny Chef Cisco Avaradrano sady tompon’andraikitra voalohan’ity fanatanjahantena an-tsekoly any an-toerana ity, dia Baolina kitra an’olona 7 sokajy « poussin », ny baolina kitra an’olona 11 sokajy « minimes sy Cadets » ary Baskety « minimes sy Cadets » no tena hotanterahina ao Mahamasina ireo fa ny Hand-ball sy Volley-ball kosa dia heverina hotontosaina amin’ny andro manaraka any an-toeran-kafa. Fantatra ihany koa, araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany, fa hampiseho etsy Mahamasina amin’ny alalan’ny fanaovana « demonstration » ireo atleta hisolotena an’Atsimondrano amin’ny lalao rejionaly hotanterahina any Ambohidratrimo amin’ny 22-24 aogositra 2015.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.