Sport

Sport Scolaire Cisco Atsimondrano Etsy Mahamasina no hamarana ny taranja iombonana


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Cua na kaominina Antananarivo-Renivohitra dia etsy Mahamasina no hamaranan’ny Cisco ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly taranja iombonana amin’ny faha-12 aogositra ho avy izao

 

. Raha ny marina, hoy Atoa Ratsimandresy Ludovic  izay filoha lefitry ny Chef Cisco Avaradrano sady tompon’andraikitra voalohan’ity fanatanjahantena an-tsekoly any an-toerana ity, dia Baolina kitra an’olona 7 sokajy « poussin », ny baolina kitra an’olona 11 sokajy « minimes sy Cadets » ary Baskety « minimes sy Cadets » ihany koa no tena ho tanterahina ao Mahamasina ireo fa ny Handball sy Volley ball kosa dia heverina ho tontosaina amin’ny andro manaraka any an-toeran-kafa. Fantatra ihany koa, araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany, fa hampiseho etsy Mahamasina amin’ny alalan’ny fanaovana « demonstration » ireo atleta hisolo tena an’Atsimondrano amin’ny lalao rejionaly ho tanterahina any Ambohidratrimo amin’ny 22-24 aogositra 2015.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT