Sonny Laiton

Lasa ao amin'ny Girondins de Bordeaux


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Ilaina ny manana klioba raha mieritreritra handeha lavitra. Izany foton-kevitra izany no mety nahatonga an'i Sonny Laiton

hanaiky hilalao ao amin'ny Girondins de Bordeaux izay isan'ny klioba tena lehibe raha ny anarany fotsiny saingy voasazy izy dia indroa nivarina kilasy ka lasa National 2 ankehitriny.Tsy maninona izany fa raha ny tanjany aloha dia tsy hisy hiady aminy fa dia handingana ny tana-tohatra isan-taona izy ka vetivety ihany dia hiverina ao amin'ny Ligy 1. Mbola tanora rahateo i Sonny Laiton sady mahay ka inoana fa ho tafavoaka vetivety satria mety ampy lalao amin'izay tsy tahakan'ny tao Auxerre izay mbola mpiandry tsatokazo fahatelo no nisy azy ary saika tao amin'ny ekipa fiandry.Afaka indray izany aloha i Roro Rakotondrabe satria Hangina ireo mpanenjika ireo voantso nefa tsy milalao Ary soa aza fa nisy an'i Sonny Laiton mba afaka hianteherana satria i Nina iny no nataony tany Luanda ary Teva Gardies toa mbola tsy manana klioba.Roa herinandro latsaka anefa dia hiditra an-tsehatra ny Barea hihaona amin'ny Tonizia sy Comores.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT