Sport

Solontenan’ny FIFA Nankasitraka ny « Comité de normalisation FMF »


  • Talata 21 Mey 2019

Solontena 2 avy amin’ny FIFA nalefa hanara-maso ny fanomanana ny fifidianana izay ho filohan’ny Fmf vaovao sy ny fivoaran’ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy amin’ny ankapobeny,

 

 

 

 Atoa  Alexandre Gros sy Rtoa Sarah Solemane no nitsidika teto Gasikara tamin’ny faran’ny herinandro teo ka niara-nivory tamin’ireo mpikambana ao amin’ny « Comité de normalisation Fmf » Malagasy tamin’ny sabotsy teo ary nanatrika ny baolina kitra vehivavy Malagasy teny Carion. Nambaran-dRtoa Atallah Béatrice filohan’ity komity ity, ny fankatoavan’izy mianadahy  ny « Disposition spéciale » mikasika ny hanaovana fanitsiana ny lalàm-pifidianana sy fitsipika mifehy ny baolina kitra eto Madagasikara ary ny fanolorana datin’andro raikitra hanatontosana fifidianana ihany ka ny Fivoriambe « AG » hataon’ireo ligin’ny baolina kitra 22 amin’ny12 jona ho avy izao no hankato an’izany « Disposition spéciale » izany. Hitan’ireo vahiny teto Madagasikara ny zava-misy marina ka ho azon’ny kitra Malagasy indray ny andiany faharoa amin’ny fanampian’ny FIFA  entina hampiroboroboana an’ity taranja ity. Tsy hijanona intsony ny baolina kitra vehivavy eto amintsika ary handray anjara amin’ny Cosafa 2019 ny  ekipam-pirenena vehivavy Malagasy. Ny ekipa vehivavin’ny Askam sy ny Ac Sab Nam dia hanatanteraka  lalao fanokafana ny lalao fanazarantena hataon’ny Barea etsy Mahamasina amin’ny  10 jona 2019 izao. Afa-po ny Fifa tamin’ny asa nataon’ny « Comité de normalisation Fmf » tamin’ny ankapobeny, hoy Rtoa Sarah Solemane.  Ny mpanazatra Nicolas Dupuis ho avy eto Madagasikara hanatrika ny ny lalao Thb Champion’s League Malagasy any Toliara amin’ny alarobia izao no tompon-teny farany amin’ny fisafidianana an’ireo mpilalao handrafitra ny Barea Malagasy hiatrika ny Can 2019. Ny vola 200 tapitrisa dolara azontsika Malagasy avy amin’ny Fifa kosa dia hiantsorohana ny saran-dalan’ny ekipa Malagasy rehetra  handeha hiatrika lalao any ivelany. Farany fantatra fa nampitomboin’ny CAF ho 40 ireo Malagasy hiantohany hanatrika ny CAN 2019 any Egypte.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT