Sport

Solontenan’ny FIFA Nankasitraka ny « Comité de normalisation FMF »


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nandalo teto amintsika tamin’ny faran’ny herinandro teo ny solontena 2 avy amin’ny FIFA, Atoa Alexandre Gros sy Rtoa Sarah Solemane, nalefa hanara-maso ny fanomanana ny fifidianana izay ho filohan’ny

 

Fmf vaovao sy ny fivoaran’ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy amin’ny ankapobeny. Niara-nivory tamin’ireo mpikambana ao amin’ny « Comité de normalisation Fmf » Malagasy izy ireo tamin’ny sabotsy marainan’ny 18 mey 2019 ka nivoitra tamin’izany, hoy Rtoa Atallah Béatrice filohan’ity komity ity ny fankatoavan’izy ireo ny « Disposition spéciale » mikasika ny hanaovana fanitsiana ny lalàm-pifidianana sy fitsipika mifehy ny baolina kitra eto Madagasikara ary ny fanolorana datin’andro raikitra hanatontosana fifidianana ihany koa ka dia hiantso an’ireo ligin’ny baolina kitra 22 misy eto amin’ny nosy  hiatrika AG « Fivoriambe » izy ireo ny 12 jona ho avy izao hankato an’izany « Disposition spéciale » izany. Nambarany ihany koa fa  rehefa  nahita ny zava-nisy teto Madagasikara ireo vahiny dia nilaza fa ho azon’ny kitra Malagasy ny andiany faharoa avy amin’ny fanampian’ny FIFA  entina hampiroboroboana ny kitra Malagasy. Tsy hijanona intsony ity baolina kitra vehivavy ity eto amintsika, hoy Rtoa Atallah Beatrice, ary hiatrika ny Cosafa 2019 ny  ekipam-pirenena vehivavy Malagasy ary hiatrika  lalao fanokafana ny lalao fanazarantena hataon’ny Barea etsy Mahamasina amin’ny  10 jona 2019 izao ny ekipan’ny Askam sy ny Ac Sab Nam. Nilaza kosa Rtoa Sarah Solemane fa nahafa-po an-dry zareo ny asa nataon’ny « Comité de normalisation Fmf » tamin’ny ankapobeny.  Mikasika an’ireo mpilalao handrafitra ny Barea Malagasy ho any  amin’ny Can 2019  kosa dia ny mpanazatra Nicolas Dupuis irery ihany no tompon-tsafidy amin’izany  ka ambarany eto Antananarivo izany rehefa ho tonga eto izy amin’ity herinandro itsahana ity. Hanatrika ny lalao any Toliara izy amin’ny 25 mey 2019 izao.   Nambaran-dRtoa Atallah Beatrice ihany koa fa nahazo vola 200 tapitrisa dolara isika Malagasy hiantsorohana ny saran-dalan’ny ekipa Malagasy hiatrika lalao any ivelany rehetra. Nambarany ihany koa fa nampitomboin’ny CAF ho 40 ireo Malagasy hiantohany hanatrika ny CAN 2019.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT