Sport

Solontenan'ny FMF any Qatar Ny ekipan-dRaoul no nantsoin’ny FIFA


  • Zoma 01 Aprily 2022

Manatrika ny Kongresin’ny Federasionina Iraisam-pirenena ho an’ny taranja baolina kitra na ny FIFA tanterahina any Qatar amin'izao Atoa Victorien Andrianony Filoha lefitra voaloan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina

 kitra (FMF) sy Rtoa Ranja Mahatovo Sekretera Jeneralin’ny FMF. Avy amin’ny elatra Arizaka Rabekoto Raoul izy ireo, nomeny ny fahefana taorian’ny tsy fandosirany an’i Madagasikara noho ny fanenjehana ataon’ny Fanjakana ankehitriny tamin’ny raharaha fitantanana ny CNaPS fony izy Tale Jeneraly. Toa midika io, fa mazava ny fomba fijerin’ny FIFA mahakasika ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy. Efa nisy ny fifanonganana tao anatin’ny FMF, fifampitoriana teny amin’ny fitsarana,… Eny tonga hatramin’ny famoahan’ny elatry ny FMF tarihin’Atoa Alfred Andriamanampisoa antso amin’ny fitadiavana mpanazatra ho an’ny ekipam-pirenena. Nolazain’ireo fa hisy ny lalao firahalahiana hataon’ny ekipam-pirenena tamin’ny faramparan’ny volana martsa, izay telo raha kely saingy tsy nisy tanteraka, raha tsy hilaza afatsy ny saika hifampitsapana tamin’i Afghanistan, Togo,... Toa endrika maneho, fa filalaovana sain’ny mpitia kitra, saingy tsy ho raikitra noho ny resaka olana ara-pitantanana. Etsy an-daniny, ny volana jona izao etsy andaniny no hiatrika indray ny fifanintsanan’ny CAN 2023 ny Barean’i Madagasikara, saingy tsy misy tokontaniny momba izany. Tetsy ankilany nanao fivoriam-be teny Mahamasina kosa ny ekipa tarihin’Atoa Alfred Andriamanampisoa omaly alakamisy. Efa fantatra izao ny mpitantana heverina ankatoavin’ny FIFA hisolotena ny FMF eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka havela hanao ny asany sa handeha indray ny gafy sy fitsabahana? Ny ekipam-pirenena ve no hatao sorona noho ny lonilony?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT