Solofo Tsiahavahana Ramarolahy

Lasa mpanazatra ny ekipan'i Seychelles amin’ny Beach soccer


  • Alarobia 19 Jona 2024

Ny mahay tsy mba very mandeha. Mpanazatra ny ekipan’ny Anse Réunion

baolina kitra no niandohan'i Solofo Tsiahavahana Ramarolahy satria dia voafehiny io taranja io. Saingy mbola hainy kokoa ny beach soccer izay nentiny lasa tompondakan'i Afrika ary nandray anjara tamin'ny Mondial tany Portugal. Zava-bita tena tsara izany nefa ny mahagaga fa noesorin'ny federasiona izy. Miova sata miova andriana tokoa angamba sa noho izy akaiky ny filoha Ahmad teo aloha. Izao izy rehefa tsy tiana dia lasa mitondra ny ekipam-pirenenan'i Seychelles miaraka amin'i Nahoda ilay mpilalaon'ny FC BFV teo aloha sy ny Scorpions. Mazava ho azy fa ilaina i Solofo Tsiahavahana Ramarolahy noho ny traikefany ary raha manana fotoana sy fitaovana araka izay ilainy izy dia mety ho tena mafy i Seychelles. Mba hanao ahoana izany ny hiseho raha hidona amin'ny Barea ? Mety ho hafahafa ihany satria fantany ohatra ny paosiny ireo mpilalao malagasy ka tsy ho sarotra aminy ny fomba hitazomany ireo. Na ireo mpanazatra ny Barea amin'izao aza dia mbola ireo nampianariny daholo. Izao efa mety ny fiainany any Seychelles ary mety tsara hatramin'ny karamany aza dia tsy maintsy hanao izay mety izy hitondra ity ekipam-pirenena Seychelles ity. Any Afrika izany mihaona.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT