Soirée Barea

Atao fitoavana itadiavam-bola indray ny ekipam-pirenena ?


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Mampametra-panontaniana hatramin’ny sabotsy teo hoe ho atao inona?

Inona no tanjona aminy? Hitadiavam-bola mihoam-pampana, raha ny fampahafantarana niparitaka hatramin’ny sabotsy teo ny hetsika momba ny Barea na «Soirée Barea». Ny sary famantarana ny federasionina malagasin’ny baolina kitra moa no eo an-tendron’ny fampahafantarany ity hetsika voalaza fa ho atao ny sabotsy 23 martsa 2024 izao eny amin’ny CCI Ivato ity. 200.000 Ariary ny saram-pandraisana anjara ho an’ireo fanasana tsotra. 500.000 Ariary ho an’ireo VIP na tenenin’ny malagasy mahazatra hoe «manan-kaja» ary 1.000.000 Ariary ho an’ireo «manan-kaja ambony» na VVIP, raha ny fampahafantarana hita hatrany. Ny hirariana moa izany dia ny hoe mba hitondrana fanampiana goavana mankany amin’ny fahombiazan’ilay ekipam-pirenena na ny Barean’i Madagasikara tokoa itony hetsika itony fa tsy sanatria ho fitaovana hamenoana ny paosin’ireo mpitantana ny federasionina fotsiny ka sady tsy hahatafakatra ny Barea any amin’ny tompondaka eran-tany no mbola tsy hahatonga antsika koa any amin’ny tompondakan’i Afrika na CAN manaraka eo. Nisy fotoana mantsy efa nitaraina ireo mpilalao toa ny kapiteny teo aloha Faneva Ima fa tsy nahazo ny vola tokony ho azony tamin’ny fandresena azony ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT