Smatchin DJ contest

Tafakatra amin’ny dingana manaraka ny solontenan’ny ITU sy UAF


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

DJ » miisa 15 no tafakatra amin’ny dingana manaraka amin’ilay fifaninanana

manodina kapila na DJ-ing mitondra ny anarana hoe «Smatchin DJ contest», raha ny vokatra voaray ny alahady teo tao amin’ny Canal Olympia moa izany. Isan’ny nanana solontena nandray anjara tamin’izy io ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny IT University sy ny Oniversite Andrainjato Fianarantsoa na UAF. Samy tafakatra avokoa ny solontenan’ireto oniversite voalaza teo ireto. I Mika kely ho an’ny ITU ary Rason Ony Giovanni ho an’ny UAF. Ity farany moa dia tsy iza ihany koa fa zanaky ny mpiara-miasa eto amin’ny vondron’orinasa Onet group international, izay misy ny gazety Tia tanindrazana ihany. Manaraka fiofanana izy 15 mianadahy ireto amin’izao fotoana izao mandra-pahatongan’ny dingana manaraka ho atao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT