« SMATCHIN » andiany faha-11

Hangotraka ny fifaninana, oniversite 50 no handray anjara


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Nitondra anjara biriky goavana hoan’ny fampitomboana ny lentan’ny Taranja basketball teto Madagasikara

hatramin’ny taona 2012 niatombohany ny fifaninanana Smatchin izay andraisan’ireo Oniversite eto madagasikara anjara, raha ny nambaran’ny mpikarakara ity fifaninanana ity omaly nandritra ny fampahafantarana ny Smatcin andiany faha 11. Tany am-piandoahana dia fifaninanan tsotra no nadraisan’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ity fifaninanana ity, tamin’izany aza dia ireo mpianatra ihany no manolo-tena manao ny fisoratana anarana fa tsy niditra mihitsy ny sekoly. Hatreo amin’ny andiany faha-5 dia toy izay hatrany. Niditra tamin’ny andiany faha-6 kosa anefa dia nanomboka lasa fotoana ifanomezan’ireo mpitia Basket avy amin’ireo Oniversite mihitsy ity hetsika ity ka tsy mitsahatra mitombo isan-taona ny mpandray anjara. Amin’ity andiany faha-11 ho an’ny taona 2025 ity ary dia ny 8 hatramin’ny 16 Martsa 2025 no hanaovana ny fifaninanana ka nomena ny anarana hoe « XXL SMATCHIN BE CONNECT » noho ny fanohanana feno nomen’ny Orinasa Star amin’ny alalan’ny vokatra xxl sy ny orange Madagascar amin’ny lalan’ny tolotra Be conenect. Toerana telo no handray ireo lalao dia ny Palais des sport, ny kianja mitafon’i Mahamasina ary ny kianja ivelan’ny Barea. Ny 8 hatramin’ny 13 martsa no hanaovana no hanaovana ny fifanintsanana isam-bondrona izay atao ao amin’ny kianja ivelan’ny Barea sy ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Manomboka ny 14 martsa ny dingan’ny famaranana ary ny 16 martsa ny famaranana, izay samy ho atao ao amin’ny Palais de sport avokoa ireo. Oniversite miisa 50 no indray hiara-handray anjara amin’izany, ahitana ekipa 48 ho an’ny sokajy lahy ary 17 ho an’ny sokajy vavy. Heverina fa hiha hangotraka hatrany mazava ho azy ny Smatchin amin’ity izay ho ambohipihaonan’ireo tanora mpilalao sy mpitia basket. Hampiavaka ity andiany faha-11 ity ny fifaninanana hafa toy ny : Miss et Mister, Dance Contest, Slam Contest, E-sport ary ny Slam Dunk, fa indrindra ny fisian’ny Mascotte izay mitondra ny anarana hoe SMATCHIN hanentanan sy hanafana ny lalao rehetra.

Solotiana sy Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT