Sport

SMATCH –IN XXL andiany fahavalo Hotanterahina manomboka anio etsy Mahamasina


  • Zoma 10 Mey 2019

Hotontosaina manomboka anio etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, haharitra valo andro ilay hetsika ara-panatanjahantena , “Smatch-In XXL”, andiany fahavalo, tohanan’ny orinasa Star, amin’ny alalan’ny zava-pisotro XXL.

 

 

 

 Lalao ara-panatanjahantena natao hanasongadinana ireo ankizy sy tanora mpitia basket baolina eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony izy ity, raha tsiahivina efa nanomboka tamin’ny taona 2012. Mahatratra 3.500 isa eo ho eo amin’ny ankapobeny ireo mpankafy mivondrona mijery sy manaraka izany. Tamin’ity andiany fahavalo ity dia niampy telo ireo sekoly ambony handray anjara amin’izany raha 40 isa tamin’ny taon-dasa. Ankoatra ity  fifaninanana lalao “basket-ball” io moa dia hisy ny fifaninanana “tir 3 point”, “dunk”, fifaninanana  hatsaran-tarehy sy hatsaram-bika smatch’in ary ny “Smatch-in Dance Contest”.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT