Sport

Slalom Tompondaka i Fred


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Norombahan-dRabekoto Fred izay manamory P306 ny dingana fah-8 farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny slalom izay natao teny Ivato ny faran’ny herinandro teo

. Lalana mirefy 1,500km moa no nanaovana ny fifaninanana ary dingana roa no natrehin’ireo mpifaninana ny sabotsy sy alahady. Tompomarika tamin’ny fikarakarana ny klioba ACCT. Io no dingana fah-3 azon’ity mpanamorin’ny ASACM ity tamin’ity taom-pilalaovana ity ary nahafahany ihany koa misalotra ny anaramboninahitra ho an’ity taona 2015 ity. Lah-2 kosa i Hugo Louvel, tompon’ny anaramboninahitra farany izay niova fiara ary nitondra P306 ihany koa tamin’ity dingana farany ity. I Dani kosa no nameno ny lampihazo. Iny fifaninanam-pirenena amin’ny slalom iny ihany koa no manakatona tanteraka ny fifaninanana ho an’ny federasiona malagasin’ny spaoro aotomobilina.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT