Sport

Slalom ASA Tana Fanindroany ho an’i Fred


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Taorian’ny efa nahazoan-dRabekoto Frederic na i Fred ny dingana fah-2 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny slalom natao tetsy Andohatapenaka herinandro vitsy lasa izay dia mbola lasany indray ary nanjakazakany mihitsy ny dingana fah-3 nokarakarain’ny ASA Tana teny Ambatomirahavavy ny faran’ny herinandro teo

 

. Ity mpanamorin’ny ASACM ity hatrany no lah-1 nahavita ny fotoana tsara indrindra tamin’ny filaharana ankapobeny ka niotndrany Subaru na koa tamin’ny sokajy fiara tarihin-kodiaran-droa. Lah-1 izy raha nanamory Subaru (2’’46,200) ary mbola voalohany koa tamin’ilay fiara P306 (2’’46,568). Lah-2 nanaraka azy i Gerard Louvel avy amin’ny FMMSAM nitondra P206 (2’’46,689) ary fah-3 Rahamefy Teddy, tompondakan’i Madagasikara 2014 nanamory P205 (2’’49,333). Tany amin’ny lah-4 kosa i Dany ary fah-6 i Hugo Louvel. Lah-2 taorian’i Fred tamin’ny fiara tarihin-kodiaran’efatra kosa i Bobo Jr ary fah-3 i Adriani nitondra Subaru. Nahazo ny lah-1 tamin’ny sokajy cross car i Kash (2’’58,420) narahin’i Rado kely (2’’58,588) ary fah-3 i Veve (3”04,832). Nanjakan’i Tojo kosa ny SSV ka 2”55,422 no fotoana vitany, fah-2 i Hendry (2”58,300) ary fah-3 i Boutaline (3”25,534). Lalana mirefy 1,850km moa no nihodikodinan’ireo mpifaninana tamin’ireo dingana telo voalahatra ny sabotsy sy alahady teo.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT