Sport

Siteny sy ny mpanao rugby Manomboka mifanao pi-maso


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Tontosa ny sabotsy ny teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny fifampiarahabana tratry ny taonan’ny FTMRF6 na fikambanan’ny tanora mpanao rugby ato amin’ny faritra miisa 6, tarihin-dRakotondrafara Jean Heriniaina na Naina be.

 Isan’ny nampiavaka azy tamin’ity taona ity, hoy ity filoha ity, ny fahafahan’ireo te hanao vakisiny fiarovana amin’ny Covid 19 manao izany, indrindra, ireo ao anatin’ny tontolon’ny Rugby. Raha tombanana ireo fokontany miisa 192 eto Antananarivo dia ahitana mpilalao miisa 40 avy eo, izany hoe, raha atotaly dia mahatratra any amin’ny 20.000 any ny isan’ny mpikambana ato aminay. Mankasitraka manokana ny Fondation Siteny, hoy izy ireo, izay anisany tena raiamandreny lehibe nanolotra omby miisa 5 ho an’ny mpanao rugby tokony nanatontosana ny famaranana ny faha 19 desambra teo saingy noho ny hahamehana ara-pahasalamana moa dia tsy tanteraka izany fa ijerena andro hafa. Mankasitraka ny filoha Siteny Andrianasoloniaiko izahay, hoy izy ireo, ary milaza aminy fa ao ambadikany mandrakariva ny tanora ambany tanana. Somary mareforefo izao ny fitantanana ny taranja rugby satria misy fifandroritana ao. Misy mbola tsy milamina ao fa ny fanirianay fotsiny dia ny handehanan’ny fifidianana dia samy mifidy daholo ny ligy, seksionina ary fileovana. Andohatapenaka io efa natokana ho an’ireo ekipa vaventy fa ohatran’ny tsy dia mahazo sehatra eny ny taninketsa. Ny an’ny taniketsa dia eny amin’ny Complexe Ampefiloha sy Malacam Antanimena. Tsy hita soritra hatreto ny fanampiana avy amin’ny fanjakana fa inoana fa hitady izay lalana izay ny federasionina. Miezaka mitady hevitra hampandrosoana ity tontolo ity izahay ka ny malala tanana no tena isaoranay araka ny nazavaiko anareo teo hoe sarotra izany mitady omby iadiana amin’ny lalao rugby izany nefa dia foina olona iray eto amin’ny firenena ka isaoranay azy lehibe dia lehibe, hoy hatrany ny FTMRF6. Hita ho manomboka mifanao pi-maso, araka izany, ity filohan’ny Federasionina afrikanin’ny taranja Judo ity sy ireo mpanao Rugby eny ambany tanana.
J. Mirija
Legende: Ireo solontenan’ny FTMRF6 sy ny mpiara-miasa aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT