Sport

Siteny Randrianasoloniaiko “Politika io atao amin’i Ahmad io ”


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Naneho ny heviny mahakasika ny fanenjehana sy ny fanasazian’ny FIFA ny

 

 


Filohan’ny CAF Ahmad ny Filohan’ny Komity Olympika Malagasy, Atoa Siteny Randrianasoloniaiko. Ny tantara tsy fanadino, fantatsika ny tantaran’i Platini, ny fifidianana nahazo an’i Blatter, dia tsy maintsy notadiavina ny olana nahafahana namely azy tsy hilatsaka, rehefa naneho fa hirotsaka hanohy ny asany, hoy izy. Izany 46 federasionina aty Afrika izany, izay nanao Sonia an-taratasy, dia tsy azo hiadian-kevitra ny fandresen’i Ahmad indray amin’ny fifidianana, hoy ity Filohan’ny Komity olympika ity. Nambarany fa tsy midika ho iny ny fanapahan-kevitra, ary mbola manana fahefana hampiakatra Atoa Ahmad. Eo no ahafantsika mahafantatra ny tohiny. Misy mpitantana maneran-tany tratra ohatr’izao, nisy ny tsy afaka, fa maro ny nandresy. Amin`ny filohan`ny komity olympika ahy dia tsy mankasitraka an` iny aho, hoy hatrany i Siteny Andrianasoloniaiko. Namafisiny hatrany kosa fa tsy misy tokony ahiana ny momba ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar saingy tsy mirakla ny fiakaran` ny Barea sy Atoa Ahmad lasa filohan` ny CAF, hoy izy. “Ny zavatra rehetra dia eo ambony ny terrain. Misy ifandraisany ihany koa anefa izany. Efa manana toerany ny Barea ka enga anie tsy misy akony lehibe. Na tiantsika na tsia, ny filohan` ny CAF dia Atoa Ahmad, tafiakatra ny Barea.” Samy miandry izay ho tohin’ity raharaha ity ny rehetra satria raha ny fantatra omaly, dia nampiakatra ny raharaha any amin’ny TAS Tribonaly misahana ny fanatanjahantena i Ahmad.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT