Sport

Siteny Randrianasoloniaiko Avereno ireo « dojo » noravaina tao Mahamasina


  • Talata 03 Mey 2022

« Mila averina malaky ny « dojo » noravaina rehetra ao Mahamasina, araka ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Komity Olaimpika Malagasy (COM) Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny faran’ny herinandro teo.

« Taorian’ny tatitra rehetra (rapport moral, activité, financier) dia anisan’ny noresahako nandritra ny fivoriamben’ny COM ny mikasika ny fotodrafitr’asa ao amon’ny kianjaben’i Mahamasina. Nandritra ny asa fanamboarana dia rava daholo ny « dojos nationaux » tao ambany « gradins » ka hatreto dia tsy manana intsony ny taranja karaté, boxe, boxe savate, kickboxing,… », hoy izy. Toy izany ihany koa ny an’ny taranja fibatana fonjam-by na “haltérophilie », ny basket, ny tennis de table,... Na ny “salle de musculation” koa aza dia nambarany fa tsy misy intsony ao Mahamasina. Afaka herintaona anefa dia hampiantrano ny Lalaon’ny Nosy isika Malagasy, ary efa nilaza rahateo ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny fanatanjahantena, fa ao Mahamasina no hanaovana ny lanonam-panokafana sy famaranana ny Lalaon’ny Nosy, raha toa ka nolazaina tany am-boalohany fa any amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika no hanaovana ny lalao. Ny kitra sy ny tsipy kanetibe ihany sisa no manana toeram-pilalaovana ao Mahamasina fa ireo taranja voalaza ireo dia adinon’ny tompon’andraikitra tanteraka, raha ny fanamarihan’ny Filohan’ny COM. « Indrisy fa talohan’ny nikitihana an’io kianjaben’i Mahamasina io dia tsy mba nisy fakan-kevitra nataon’izy ireo tamin’ny COM sy ireo federasiona voakasika. Mitaky fanapahan-kevitra malaky izahay mpanao fanatanjahan-tena” hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.

Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT