Sport

Siteny Andrianasoloniaiko “Tsy fandreseko irery izao fa fandresen’ny Malagasy”


  • Talata 15 Jona 2021

Nigadona an-tanindrazana omaly tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Atoa Siteny Andrianasoloniaiko,

 

 

 izay vao avy voafidy ho Filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo) tany Dakar Sénégal ny 18 mey teo, ary mbola voafidy ho Filoha Lefitry ny Federasionina Iraisam-pirenena tany Budapest Hongrie ny 03 jona. “Tsy fandreseko irery na fandresen’ny Judo no nahalany ahy, fa fandresen’ny Malagasy rehetra. Manana ho avy tsara ny fanatanjahantena Malagasy rehefa misy Malagsy lany ao anatin’ny fitantanana ny kaonfederasionina Afrikanina”, hoy I Siteny Andrianasoloniaiko. Noraisiny ho ohatra ny fahombiazan’ny Barean’I Madagasikara, izay teo ny fahaizan’ny mpilalao, mpitantana, ny ezaka samihafa, saingy nambarany ihany koa fa nisy dian-tànan’ny Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad. Notsipihiny kosa fa tokony hojerena ny taranja rehetra eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy ny ara-bola, ka isan’ny nitondrany fanamarihana manokana ny resaka kianja ho an’ny baolina kitra izay tena hihazakazahana tokoa ankehitriny. Nilaza hamorona “zone” maromaro aty Afrika ho an’ny judo i Siteny ahafahan’ny Atleta Afrikanina mivelatra kokoa amin’ny fifaninanana. Nilaza hanapitra hatramin’ny farany ny fe-potoana hiasany amin’ireo sehatra nahavoafidy azy kosa I Siteny. Ny toerana misy azy dia toerana olom-boafidy: Filohan’ny Federasionin’ny Judo, Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina, Filoha lefitry ny federasionina iraisam-pirenena, Filohan’ny Komity olympika Malagasy, solombavambahoaka, izay zavatra saropady nametrahako fanamby tamin’ireo mpifidy, ka tsy maintsy vitainy hatramin’ny farany, raha ny nambarany.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT