Sport

Shenzen – Chine Mety horarana amin’izay ny fihinanana alika


  • Zoma 28 Febroary 2020

Eo an-dalam-pandrarana ny fihinanana henan’alika sy henan-tsaka ireo tompon’andraiki-panjakana any amin’ny faritanin’i Shenzen – Chine raha araka ny vaovao farany.

 

 

 

 Fanapahan-kevitra mety horaisina noho ny fiahiahian’íreo manampahaizana fa avy amin’ny biby no nahazoan’ny olombelona ny Coronavirus izay mitohy mandripaka hatramin’izao. Efa eo an-dalam-pamolavolana lalàna ny governemanta any Shenzen ka karazan-kena 9 ihany no azo hohanina raha ny voasoratra ao, anisan’izany ny hena azo avy amin’ny kisoa, izay tena ankafizin-dry zareo sinoa tokoa, ny akoho, omby, bitro, trondro sy ireo hazan-dranomasina isan-karazany. Sokajiana ho biby fiompy kosa ny alika sy ny saka ary mety horarana tanteraka ny fihinanana azy ireo, raha ny sombim-baovao efa niparitaka.Tanàna lehibe lavitra noho i Wuhan i Shenzen, manana ny lanjany any Chine ka heverina fa hiteraka fifohazan-tsaina sy fanapahan-kevitra any amin’ireo tanàna hafa ity fepetra horaisina momba ny fihinanana alika ity. Malaza amin’ny fihinanana biby dia ny Sinoa, efa tena hatry ny ela, maro ny mpandinika mihevitra fa tsy maintsy hanova ny fomba fisakafony ry zareo Sinoa noho ity Coronavirus ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT