Sport

Serge Aurier, vodilaharan’I Cote d’ivoire Nanao vava tsy ambina tamin’ny Barea


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

“On va chicoter les Malagasy”, izay no fanambaran’ilay vodilaharan’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra Ivoarianina, Serge Aurier, tao anaty tambazotran-tseraserany iray ny faran’ny herinandro teo.

 

 Nanao vava tsy ambina, mba tsy hilazana ilay fitenin’ny tanora hoe taim-bava be mihitsy, ity mpilalaon’ny Tottenham Hotspur, divizionina voalohany anglisy, ity satria dia mahalaza zavatra maro izay azo fehezina amin’ny hoe « manosihosy » mihitsy ity teny hoe « chicoter » rehefa atao ny dika malalaka momba azy. Voambolana izay somary mandika ny atao hoe « fair play » ihany koa raha ny tontolon’ny fanatanjahantena no jerena saingy heverina fa matoa nofafany moa ilay fanambarana dia inoana fa nisy fahatongavan-tsaina ihany tao. Tsy misy afaka handrara ny mpanohana ny ekipam-pirenena roa tonta, na ny mpanohana ny Barea malagasy io na ny mpanohana ny elefanta, hifanao ilay atao hoe taim-bava, araka ny fiteny mahazatra, saingy eo amin’ny samy mpilalao kosa dia mila tandremana hatrany ny vava tsy ambina toy itony, indrindra, aty amin’ny sehatra ambony toy izany « ligue 1 » eoropeanina izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT