Sport

Semi marathon Nanjakan'i Fulgence


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.

Raha izao no fandehany dia mbola tsara toerana ity mpitarika posy avy any Antsirabe ity amin'ny Lalaon'ny Nosy ho avy io. Mety hanao poa-droa aza isika malagasy satria tonga masiaka koa i Jean Claude Rakotonirina izay samy avy amin'ny Crown Athletics Club Antsirabe. Raha 1ora sy 7 mn sy 54 segondra no fotoana nahavitan'i Fulgence dia 1 ora 8 mn 21 segondra kosa ny an'i Jean Claude .Ny hazo no vanon-ko lakana hono ny tany naniriany no tsara satria dia fantatra fa ilay Tale Teknika Nasionaly taloha, Tsiry Rakotomalala no mznzeatra azy ireo Raha nisy kely aza dia niakatra lapihazo koa i Sarah izay mbola Crown koa saingy nojanona fahaefatra izy toe amin'ny vehivavy fa Nanie avy amin'ny Fanalamanga no voalohany ary Oliva COSPN no faharoa.
Legende : Ny lapihazo teo amin'ny lehilahy nahitana an'i Jean Claude, Fulgence ary Mampitraotse, avy any havia miankavanana
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT