Tonga eo amin’ny lalao ankatoky ny famaranana ho an’ny sokajy olon-droa miaraka sy eo amin’ny famaranana sokajin’olon-tokana
ankehitriny ny fiadiana ny ho tompondaka rejionalin’Analamanga 2019 eo amin’ny fifaninanana Tenisy A.S.I.E.F « Association Sportive Interministerielle pour l’Endretien des Fonctionnaires ». Eny amin’ny kianjan’Ankatso no hanatanterahana ny hetsika amin’ny sabotsy 10 aogositra 2019 izao :
Court 1
08:00-Ankatoky ny famaranana – Olon-droa lehilahy : Gal. Rollando/Patrick (DIA) # Rabe/Bidarisoa (MAHTP) ;
Famaranana - Vondrona I – Vehivavy : Evanindraina (PRM) vs Lanto (UA)
Famaranana isan-tarika - Vondrona B : DGT # PRIMA
Famaranana olon-droa « Mixtes » : Patrick/Nirina (DIA 1) # Jean Charles/Felana (PRIMA 1)
Famaranana - Vondrona I – Vétéran lehilahy : Heritiana (UA) # Alain Patrick (DIA)
10H30-Famaranana - Vondrona III – Olon-tokana Vétéran lehilahy : Handritiana (DGT) # Serge (PRIMA)
Famaranana – Olon-droa miaraka vehivavy : Nirina Noellah/Lucia (DIA) vs Felana/Claudine (PRIMA)
Famaranana – olon-droa miaraka lehilahy
Famaranana – Isan-tarika
Court 2
08:00-Ankatoky ny famaranana – Olon-droa lehilahy : Handritiana/Mihary (DGT) # Jean Charles/Col. Jeannet (PRIMA)
Famaranana – Vondrona III – Tanora vehivavy : Ambinintsoa (DGT) # Nirina Noella (DIA)
Famaranana - Vondrona II – Vétéran lehilahy : Liva (MAHTP) # Rolando (DIA)
Famaranana - Vondrona III – Tanora lehilahy : Mihary (MAHTP) # Mihary (DGT).
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.