Sport

Seksion’ny rugby Vakiniadiana Notohanan’ny fikambanana Fitahina ny lalao Famaranana


  • Talata 20 Febroary 2018

Notanterahina tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena tamin’ny alahady 18 feborary teo ireo lalao famaranana sokafy D-2 sy D-1 ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’ny rugby ao Vakiniadiana tarihan’ny filohany Rakoniaina José izay nanambara fa izy no tena filoha lany ara-dalàn’ity seksiona ity ary nahazo « attestation de fonction »

tamin’ny ministera fa mpisandoka ireo izay milaza fa mpitantana izay rafitra izany fa tsy nidina tany Manjakandriana velively ny Dirjs Analamanga. Niantso mpanohana ofisialy ny hetsika izy ireo tamin’ity famaranana ity ka namaly ny antso ny fikambanana Fitahiana tarihan-dRtoa Rajaonatahina Bako izay nanolotra fitaovana sy sakafo ary fanampiana ara-bola an’ity seksiona ity. Nilaza Rtoa Bako fa tsy mifidy fiaraha-miasa amin’ny mpilalao rugby na avy aiza na avy aiza ry zareo fa mivelatra amin’ny rehetra ary tsy miditra amin’ny olana misy eo amin’ny rugby Malagasy. Ny pasitera Mailhol izay efa zatra miasa amin’ny tontolon’ny rugby kosa no nanolotra omby iray ho amboara tamin’ity famaranana ity. Nisy koa lalao fifanintsanana fiadiana ny amboaran’ny ligy niaraka tamin’ireo famaranana ireo

Vokatra azo teny Antanimena tamin’ny alahady :

Bma 12 – 5 Cmm Mandialaza (D-2) ; Amazone 34 – 6 Rapide (D-1 elite 2) ; Soe 10 – 22 Tfma (D-1 elite 1) ; Tfa 16 – 10 3Fb (D-1 elite 1).

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT