Sport

Seksion’ny rugby Vakiniadiana Manohitra ny fisandohana andraikitra


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Nampiseho ny tenany am-pahibemaso tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teto Antananarivo tamn’ny talata 13 febroary 2018 teo ny mpitantana ny rafitra seksion’ny rugby Vakiniadiana notarihan’ny filohany, Rakotoniaina Patrick notronin’ny SG-ny sy ny Mpitambolany.

 

Nasehoan-dry zareo ara-taratasy mazava ny maha-tena mpitantana an’ity seksiona ity ara-dalàna azy ireo izay mitantana ny fifaninanana hoan’ity faritra ity ka fantatra fa efa hiditra eo amin’ny lalao famaranana ankehitriny ny sokjajy D-1 Elite 2, efa eo amin’ny dingan’ny 1/8-ndalana ny sokajy D-2 ary mbola eo amin’ny dingan’ny fifanintsanana kosa ny sokajy D-3. Mahagaga anefa, hoy izy ireo, fa misy ny mitonona ho mbola mpitantana an’izany seksion’i Vakiniadiana izany dia Atoa Rakotonirina José izay efa notapahan’ny mpitantana rehetra tamin’ny 23 jona 2017 fa nesorina tsy ho filohan’ny seksiona Vakiniadiana nametrahana azy intsony noho izy voaporofon’ny rehetra fa anisan’ny nanondinkodina ny volan’ity seksiona ity azo tamin’ny « droit d’engagement » narotsak’ireo klioba ka napetraka tany amin’ny banky iray teto an-drenivohitra. Mbola niantso fileovana hafa hilalao ao amin’ity seksiona ity koa izy ankehitriny ka milaza ho manao « Championnat » sandoka. Novakian’ireo mpitantana ny seksion’ny rugby Vakiniadiana ny taratasy voarain’izy ireo avy amin’ny fileovana 31 ao aminy mandrara ny fampiasana tsy an-drariny ny anaran’ity seksiona ity fa azo henjehana amin’ny lalàna misy izany.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT