Seksion’ny rugby Atsimondrano Tontosa ny 1

8-ndalan’ny D-1 communale


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Tontosa omaly alahady 17 desambra teny amin’ny kianjan’ny Makis teny Andohatapenaka ireo lalao 1/8-ndalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny « D-1 communale » fiantso ny D-1 elite II fahiny.

 

Toy izao ny vokatra azo tamin’izany : Crai 13 – 3 Fita2a ; Jsaa 15 – 13 Tami ; Beravina 27 – 00 Fta Ankasina ; Htna 9 – 3 XV ovale ;  Htam 8 – 3 Jiad. Hoezahina hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Makis ihany ny lalao 1/4-dalana amin’ity fifaninana ity, hoy Randriamanana Armand filohan’ity seksiona ity, amin’izay daty mampahalalaka ny kianja. Nomarihany fa ireo ekipa tafavoaka amin’ity fifaninana ity dia hiatrika lalao barazy  miaraka amin’ny ekipa farany ao amin’ny D-1 elite II hiakarana « D-1 régionale ». Tanjon’ireo mpitantana ny taranja rugby rehetra na iza izy na iza, hoy Atoa Armand, dia manana tanjona ny hampandroso an’ity taranja ity daholo ka tokony ny tombontsoan’ny besinimaro sy ireo tanora mpilalao no banjinin’ny rehetra fa tsy ny fitivan-tena samirery. Laviko marindrano araka izany, hoy izy, ny fizararana misy eo anivon’ity taranja ity satria manan-jo ny hisitraka fitoniana ireo mpilalao lavalava Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT