Sport

Seksion’ny rugby 3 eto Analamanga Nanao fitsipaham-pitokisana an’i Andry La Pie


  • Zoma 24 Novambra 2017

Nanatanteraka fivoriambe na AGO tetsy amin’ny biraon’ny COM tetsy Ivandry omaly alakamisy 24 novambra ireo seksion’ny taranja rugby 3 eto Analamanga dia Atsimondrano,

Avaradrano ary Marovatana notronin’ny seksion’i Manjakandriana izay tsy nandray anjara tamin’ny fanapahan-kevitra. Ny seksion’ny rugby Antananarivo-renivohitra kosa dia tsy tonga satria voasazy. Nanatrika an’ity fivoriana ity ny filohan’ny Malagasy Rugby sy ny SG-ny ary ny solontenan’ny COM. Tsy nahatonga solontena kosa ny minisiteran’ny fanatanjahantena fa nifandray an-telefaonina tamin’ny mpivory fotsiny. Fitsipaham-pitokisana ny filohan’Analamanga rugby tarihan’Atoa Ravelojaona La pie no votoatin’ny fivoriana ka voalaza fa handefasana ny tatitra natao avokoa ireo ratsan-mangaikan’ity tarana Rugby à XV ity (Federasiona sns…). Handefasana koa ny ministeran’ny tanora sy ny fitondram-panjakana mahefa ary ny rafitra iraisam-pirenena IRB.  Nambaran’ireo seksiona 3 nanao AG fa mpisandoka manomboka eto ny mitonona ho Analamanga Rugby raha mbola manohy ny fifaninanana ataony.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT