Seksion’ny baolina kitra Antananarivo-renivohitra Tontosa avokoa ireo lalao 1

4-dalana 4


  • Talata 29 Oktobra 2019

Tontosa teny amin'ny kianjan'i Betongolo, tamin'ny alahady 27 oktobra 2019 lasa teo avokoa, ireo lalao 1/4-dalana 4 amin’ny fiadiana ny ho

 

 

tompondakan’ny seksion’ny baolina kitra Antananarivo-renivohitra sokajy D 2. Nisy ny ezaka nataonay mpitantana an’ity seksiona ity niaraka tamin’ny ireo filoha sy mpanazatra ary mpilalaon’ny ekipa tsirairay avy matoa tonga amin’izao dingana izao ny fifaninanan’ny seksiona, hoy ny filohany Raharimandimby Jean Serge teny amin’ny kianjan’i Betongolo  tamin'ny  alahady teo ary deraiko manokana ny finiavan’ireo boaikely mpilalao rehetra nahafoy niantoka saran-dalana mihitsy hiatrehana ny fifaninanana nataony. Na izany aza, hoy izy, dia tena olana ho an’ny seksiona Antananarivo-renivohitra ny resaka kianja filalaovana fa sarotra ny mahazo azy ireny ary tena mifanalavitra be avokoa izy rehetra fa misy ny eto Betongolo, misy ny eny Bevalala, misy ny eny Forello Tanjombato, misy ny eny Bourbon, misy ny eny amin’ny Enam Androhibe ary indraindray koa eo amin’ny kianja St Michel Amparibe. Hatreto aloha, hoy hatrany ity filoha ity, dia tsy mbola nahazo ny kianjan’i Mahamasina mihitsy ny seksiona.  

Vokatry ny 1/4-dalana teny Betongolo :
Cosfa Avenir 2 – 1  Mm Fc  ;  Fc Sa Mada 4 – 2 As Spartiat  ;  Us Pro Academie 3 – 0 Fcm   ;
Fc Tamia 2 – 0 Fc Nisi

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT