Sport

Seksion’ny baolina kitra Antananarivo-Renivohitra Raikitra ny fiadiana ny ho tompondaka samihafa


  • Zoma 09 Martsa 2018

Hanomboka amin’ny sabotsy 10 martsa izao eny amin’ny kianjan’i Bevalala ambony sy eny amin’ny kianja Bevalala ambany ary eny amin’ny kianja Masera Bourbond Androhibe ireo fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’Antananarivo-Renivohitra.

 

Mahatratra 20 isaky ny « catégorie » ireo mpandray anjara eo amin’ny sokajy  11-12 taona, 12-14 taona, 15-16 taona  ary ny 17-18 taona. 12 kosa no isan’ireo mpandray anjara ao amin’ny sokajy D-2, 8 no ao amin’ny sokajy Vétérans ary 4 eo amin’ny vehivavy.   

Ny sabotsy 10 martsa ao amin’ny kianja Bevalala Ambony dia hanomboka amin’ny 8 :30  mandra-pahariva ny andro ireo lalaon’ny sokajy 13-14 taona sy 15-16 taona. Eny amin’ny kianja maintso Bevalala ambany kosa dia hanomboka amin’ny 9:30  hatramin’ny fiandohan’ny tolandro amin’ny 2:30   ny lalao ny sokajy 8-9-10 taona, sokafy11-12 taona . Ny alahady 11 martsa hatramin’ny mitatao vovohonana dia ao amin’ny kianja Bourbond Androhibe no hikan-tsehatra ny sokajy 17-18 taona sy ny sokajy D-2.

7:00-2M Fc #  Fc Nisi (17-18 taona)

8:30-Tanà Formation # Elgeco Plus

12:00-Hero Foot # Net Foot (D-2)

14:00-Fc Sa Mada # As 2a (D-2)

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT