Sport

Seksion’ny baolina kitra Antananarivo Renivohitra Nangotraka ireo lalao manasa-dalana D-2 omaly


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Tena nangotraka ara-bakiteny tokoa, teny amin’ny kianjan’Alarobia omaly 01 desambra 2019, ireo lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’ny baolina kitra eto Antananarivo-Renivohitra sokajy D-2.

 

 

Ny vokatra azo : Cosfa Avenir Betongolo 1- 0 Fc Tamia Ankaraobato ; Us Academi Pro Mahamasina 2 – 1 Fc Sa Mada Soavina. Nanelanelana an’ireo lalao 2 ireo tamin’io omaly io ny fifanintsanana eo amin’ny sokajy 7-8-9 taona sy ny 10-11 taona. Nomarihan’i Babaina filohan’ity seksiona ity fa hitohy amin’ny fifaninanan’ny U 14 sy U 15 amin’ny sabotsy ho avy izao sy ny fifaninanan’ny U 16 sy U 17 amin’ny alahady izao ity fifaninanan’ny tanoran’ny seksiona Antananarivo-Renivohitra ity. Nambarany ihany koa fa ny lalao famaranana rehetra ho an’ity seksiona tarihany ity dia hotontosaina amin’ny faha-22 desambra 2019 izao na etsy Mahamasina na eny amin’ny Elgeco Plus By Pass na eny amin’ny kianjan’Alarobia.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT