Sport

Seksion’ny baolina lavalava Antananarivo-Renivohitra Nisokatra ny alahady teo ny taom-pilalaovana vaovao


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Rehefa niravina ny disadisa teo amin’ny fampiasana ny kianjan’i Makis eny Andohatapenaka ka nahazo fankatoana ara-daŕna tamin’ny federasiona ny hampiasa izany kianja izany ry zareo dia nosokafan’ny seksion’ny baolina lavalava eto Antananarivo-Renivohitra

tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny alalan’ireo lalao maromaro ka nisian’ny fiadiana omby hoan’ny D-1  ny taom-pilalaova vaovao hoan-dry zareo. Azon’ny 3 F 5 Amboditsiry io omby natao amboara io raha nandresy ny JCA Antohomadinika tamin’ny 14 noho 12 ry zareo teo amin’ny lalao nifanandrinana. Samy notoloran’ny fikambanana MAHD na Madagascar Action Humanitaire et Developpement ankanjo filalaovana 23 avy kosa ny roa tonta tamin’ny farany. Fotoana nisehoan’ireo mpiara-miasa vaovao amin’ny filohan’ny seksiona Ako Andrianaivomalala koa teny Andohatapenaka io andro alahady io ka fantatra tamin’izany fa i Naivo no SGn’ity seksiona ity, Naivo mpitsara o DCA, Jean Noel no Dtc, Papa Charles no mpitam-bola, Félix sy Roger no mpanolon-tsaina.

Vokatra tamin’ny alahady : 3F5 14 – 12 Jca   ;  Fta 16 – 13 Bemasoandro   ;  Rcam 9 – 11 RCl   ;  Rcas 10 – 14 Espoir.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT