Sport

Sekoly Volley GNVB Efa-taona namolavolana ireo taninketsa ho sangany atsy aoriana


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Efa manomana ireo handimby ireo tompondaka ankehitriny ny GNVB. Efa nitsangana tamin’ny 2011 ny sekoly fampianarana ny volley eo anivon’ny zandary izay misokatra ho an’ireo zazalahy sy zazavavy 10-15 taona

. Mifandanja tsara ireo ankizy ao anatin’ny sekoly, 50% no zanaka zandary ary toy izay koa ny sivily. Eny amin’ny toby eny Bentongolo no misy ny fanazarantena in-droa isan-kerinandro rehefa fotoam-pianarana, ny alarobia tolakandro sy sabotsy maraina, fa in-4 kosa rehefa fotoam-pialantsasatra. Telo ireo mpampianatra mandray an-tanana azy ireo, tarihin-dRazafinjatovo Honoré izay manana mari-pahaizana ambony amin’ny taranja. Isaky ny enim-bolana no mandray ankizy vaovao ny sekoly ka anisan’ny jerena amin’izany ny toe-batana ranjanana ary ireny no tena volavolaina ho lasa solofo handimby atsy aoriana.

“Tsy maintsy manomana ireo taniketsa manana ny fototra tsara. Tanjona voalohany ny hampitobo isa ireo ankizy milalao ny taranja ary amin’izy ireo koa no hanatevin-daharana ny zandary sy hampiakatra ny lentan’ny volley eto Madagasikara”, araka ny fanamarihan’ny kolonely Heriniaina Rakotomalala, mpitantana ny GNVB.

Marihina fa tamin’ity taom-pilalaovana ity ny sekoly no niatrika fifaninanana ofisialy voalohany ary efa voahosotra ho tompondakan’Analamanga ny sokajy “benjamin” sy “minime” ary tompondakan’i Madagasikara ny U16 zazalahy.  

 “Amin’ny maha ankizy azy ireo dia sarihina fotsiny aloha hilalao, mianatra ireo fototra. Aorin’izay vao mizatra fifaninanana tsikelikely ary miditra klioba miroso amin’ny avo lenta”, hoy kosa ny mpampianatra iray, Andriamalala Tiana Andriamisason. Mikasika ny GNVB zokiny tompondakan’i Madagasikara dia hanomboka amin’ny herinandro ambony avy hatrany ny fanomanana ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika hatao any Kamerona ny volana marsa 2016.

Rasanda Serge



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT