Sport

Sekolin’ny Baolina Kitra TA.FA Hankalaza ny faha-8 taona nijoroany


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Hanomboka amin’ny volana oktobra ho avy io ny fifaninanana baolina kitra eny anivon’ny fokontany 60 eto Antsirabe raha ny nambaran-dRandrianarison Olivier filoha sady mpanorina ny SB TA.FA.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-8 taonan’ity sekolin’ny Baolina Kitra Tanora sy Fanantanjahan-tena izay naoriny ity ny hetsika ka ireo katitakely no hifaninana manerana ny fokontany, ho fanomezan-danjana ny taranja baolina kitra ao Antsirabe. Nifarana ny herinandro teo moa ny fifaninanana faha-56  nokarakarain’ity tompon’andraikitra ity ka hiditra amin’ny andiany vaovao indray ny fifaninanana ka izao mifanandrify amin’ny fankalzana ny faha-8 taonan’ny S.B TA.FA izao. Miara-miasa amin-dry frera ao amin’ny kolejy Md josefa amin'ny alalan’ny fampiasana ny kianja ao aminy ity sekolin'ny baolina kitra ity.

Caius

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT