Sport

Sekolin’ny fanatanjahantena Tafapetraka koa ny any amin’ny faritry Bongolava


  • Alarobia 13 Mey 2015

Taorian’ny fanokafana am-pomba ofisialy ny sekolin’ny fanatanjahantena tany Soanierana Ivongo faritr’Analanjirofo tapabolana lasa dia tafapetraka ary nisokatra ny faran’ny herinandro teo koa ny an’ny faritry Bongolava.

Efa nanomboka ny sabotsy teo tao amin’ny CEG Tsiroanomandidy ny fanazarantena sy fampiarana ireo katitakelin’ity faritra ity ka ny sokajin’taona 8 hatramin’ny 12 taona no voakasiky yn tetikasa ary misy ny fifantenana atao iroe ankizy manjfa azy ity. Toy ny tany Fenoarivo Atsinanana dia ny taranja baolina kitra sy baskety no nisantarana ny fampianarana amin’izao fanombohany ary hanaraka tsy ho ela ireo taranja hafa araka ny nambaran’Andrianomenasoa Jhon talemparitry ny tanora sy fanatanjahantena any Bongolava. Nambaran’ity farany fa natomboka teto amin’ny CEG Tsiroanomandidy ny fitiliana ireo ankizy ary hatevenina tsikelikely amin’ireo sekoly hafa manodidina ka tanjona ny haharakotra ny faritra iray manontolo amin’ity fandaharanasan’ny ministera’ny tanora sy fanatanjahantena.  Ankizy 30 mahery izao manaraka ny fampiofanana ho an’ny baskety ary ho feno 50 kosa ny baolina kitra. Teknisianina roa nivoaka avy eny amin’ny ANS Ampefiloha avy isan-taranja no mandray antanana ny fampianarana isaky ny sabotsy. Mbola mitohy araka izany ny fifantenana ary hajanona kosa ireo hita fa tena tsy maharaka.

Rasanda Serge

Eo amin’ny CEG Tsiaroanomandidy no anaovana ny fampianarana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT