Sport

Sebastien, efa mpilalaon’ny Barea zandriny Vao 21 taona monja dia lavo noho ny famoizam-po


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Misaona indray ny sehatry ny baolina kitra Malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-21 taonany ny alatsinainy teo i Sebastien Daniel Ralandiranto,

anisan’ny mpilalao nandrafitra ny Barea Académie, isan’ny novolavolain’i Maître Rôrô na Rakotondraibe Romuald teny Carion nandritra ny volana maro fony isika nanomana ny CAN U17 ny taona 2017, ka irakiraka ny toerana nanavanana azy. Efa mpilalaon’ny Barea U17 izy, efa nandrafitra ny Barea ihany U20 taona ihany koa. Efa nandalo tao amin’ny Sekolin’ny baolina kitra an’ny Elgeco Plus ary nandrafitra ny sokajy zandriny tao amin’io klioba io, fotoana isan’ny tena nahalalana azy. Nilalao tao amin’ny ekipan’ny Requin Bleu sokajy D1 teto Analamanga tao anatin’ny taom-pilalaovana roa nisesy. Mpilalao tsotra sy tsy dia be teny loatra I Sebastien, kanefa tena mahomby sy manan-talenta, hoy ireo namany. Voasokajy ho isan’ny mpilalao hanana ny hoaviny eo amin’ny sehatry ny baolina kitra, saingy nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-21 taonany monja. Voalaza fa tena nisy akony goavana teo amin’ny fiainany ny fahafatesan’ny reniny hany mba nianteherany vao iray volana latsaka izay. Nanampy trotraka izany anefa ny olana ara-panambadiana, raha ny fitantaran’ireo mahafantatra azy, ka nitarika tany amin’ny famoizam-po ho azy. Voalaza mantsy fa namono tena irery tao an-tranony i Sebastien, araka ny vaovao niparitaka omaly, izany hoe: resaka famoizam-po no isan’ny nahalavo azy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ny tontolon’ny kitra Malagasy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT