Sport

Scooter - Tompondakan’i Madagasikara Eny amin’ny CCI Ivato ny andiany faha-4


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Hotontosaina ny alahady 12 aogositra 2018 izao eny amin’ny CCI Ivato ny dingana faha-4 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 taranja Fifaninanana hazakazaka Scooter.

 

 Mazava loatra fa ny FMaM « Federation Moto auto Malagasy » tarihan’ny filohany, Razafindrakotohasina Dadou, no tompo-marika amin’ny fanatanterahana an’izany fiadiana ny ho tompondaka izany saingy anjaran’ny klioba 3D Racing Scoot tarihan-dRazafindrakoto Dyrnès filohany sady « commission Scooter FMaM » kosa no mikarakara an’ity fifaninanana hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ity izay ahitana ny andiany faha-4 amin’ny « Championnat » sy ny « Open toutes catégories ». Mpandray anjara miisa 80 ahitana ny avy any Mahajanga, Toamasina, Manakara ary Toliara no handrasana, hoy i Dyrnès Tom.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT