Sport

Sazy manjo ny tsipy kanetibe Malagasy


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Efa somary manokatra varavarana i Azéma

Kely sisa. Tsy ilay hira hoe Zandry a kely sisa akory fa ny mikasika ny sazy mampihantona ny kanetibe malagasy. Nazavain'ny filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma. amin'iny antsipiriany ny fandehan'ny raharaha sy ny lesoka mila harenina. Raha vita ireo hoy ihany i Azéma dia azo eritreretina ny handrasan'i Madagasikara anjara amin'ny fiadiana ny ho tompodakan'i Afrika hatao any Bénin ny volana septambra ho avy io .Mandra-piandry ny tatitra vaovao izany dia tokony manova famindra ny FSBM ary miezaka mametraka daty ofisialy maromaro mba tsy hisian'ireo fifaninanana sokajiany fa mihoa-pefy. Nolazainy tamin'izany ireo fifaninanana karakarain'ny Orange izay tsy moanohana ofisialy ny FSBM akory. Raha ilaina hoy Claide Azéma dia hampakarinay aty amin'ny foiben'ny Orange aty Paris ny raharaha satria manome sary ratsy ny rafitra FSBM. Noteren'i Claude Azéma koa hanitsy ny tatitry ny fivoariambe (AG) izay tena tsy misy dikany. Tsy mazava hoy izy ny toe-bola toy ny miditra sy mivoaka, ny voka azo tamin'ny kara-pilalaovana, ny fanampiana isan-karazany. Tsy mazava toy izany koa ny latsakemboka avy amin'ireo mpikambana vaovao'. Tsy mety hoy ny FIPJP no nampidirana ireo mpikambana vaovao ao amin'ny FSBM nefa tsy nandalo fifidianana. Mikasika ny volan'i Dolys Randriamarohaja izay nantoka ny delegasiona manontolo tany Cambodge sy tany Togo izay nolazain'i Amir Andriamirolevason fa tsy misy hevitra intsony dia nilaza i Azéma fa mbola manankery iny ary tokony haloa. Naheno mantsy izy fa efa naloan'ny fanjakana Malagasy saingy tsy tonga tany amin'ny fianakavian'i Dolys ilay vola .Tsy dia mino izany aho hoy izy nefa tokony hamarinina ihany. Nodisoany koa i Amir raha nilaza fa io Lalaon'ny Nosy io no mety ahazoana kianja tena izy satria hoy izy efa manana ilay kianja "Orange" izay natain'ny lehiben'ny kaomisaona Fanatanjahantena eny Tsimbazaza, Andry Ratsivahiny. Farany dia tokony hanpitomboins ireo fifaninanana karakarain'ny FSBM mba tena hisy marina ny tetikasa hampandrosoana ny kanetibe eto Madagasikara. Raha izay no fipetrany dia mety hiala ihsny nu sazy satria dia hita fa tenin'olon-dehibe te hamerina ny ksnetibe malagasy eo amin'ny tena toerana izao nstson'i Azéma izao .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT