Sport

Sazy avy amin’ny FIFA Manazava i Dax


  • Talata 11 Febroary 2020

Nitsimbadika indray ny rasa. Nosazian’ny FIFA, Federasiona iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra, tsy mahazo milalao mandritra ny efa-bolana sy mandoa onitra 157 572 000Ar i Andriamirado Arohasina na i DAX, mpilalao ao amin’ny Barean’i Madagasikara.

 

 

 

Ny fifindrana niala tao amin’ny Fosa Juniors nankany amin’ny Kaizer Chiefs atsy Afrika Atsimo efa tamin’ny taona 2018 no anton’io, izay ambaran’ny FIFA fa misy tsy fanarahan-dalàna. Efa nahazo rariny tamin’ny FIFA anefa izy tamin’izany fotoana izany rehefa nisedra olana maro. Voasazy tsy afaka hividy mpilalao ihany koa ny Kaizer Chiefs mandritra ny 2 taona. “Tiako ny milaza amintsika eto fa tsy manana tsiny velively izaho DAX amin'ity tantara ity. Tsy manala tena akory fa aleo tsipihiko tsara eto fa ny "mutation-ko" avy any amin'ny Fosa Juniors nankaty amin'ny Kaizer Chiefs de vita ara-dalàna, hoy izy. Taty aoriana be  izaho sy ny agent-ko ankehitriny vao nahafantatra fa hay mbola nisy vola be tsy voaloa, hono, avy ao amin'ny Kaizer Chiefs mankany amin'ny Fosa Juniors. Raha ny tokony ho izy dia tsy misy idirako intsony izany satria aferan-dry zareo samy klioba saingy izao izaho no lasa lasibatra. Tsy miala andraikitra anefa  na dia tsy mpilalaon’ny Kaizer intsony ny tenako satria efa vita fifindrana aty amin'ny Black Leopards fa tsy indramina intsony”, hoy i Dax. “Voaporofo izany satria raha tena nisy zavatra tsy nazava nataoko dia angamba fantatry ny maro fa tsy afaka ary tsy nantsoin'ny coach Nicolas DUPUIS tamin'iny  CAN 2019 iny. Momba ny BAREA, dia « nifampiresaka izahay sy ny coach Dupuis ary efa fantany tsara daholo ny momba an’io dosie io ka tsy ho afaka hanao Barea ny tenako mandritry ny efa-bolana. Vonona ny hanefa adidy mandrakizay ho an'ny fireneko aho raha mbola misy ilana ahy ao amin'ny ekipam-pirenena », hoy ity mpilalaon’ny Barea ity. Manaiky ity fanapahan-kevitra manan-tantara ity ary faly satria ny marina no nandresy, hoy kosa ny Fosa Juniors. Manantena izahay fa tsy hisy intsony fifindrana tsy ara-dalàna tsy hosazin’ny lalàna mifehy izany. Misy lalàna sy fitsipika tokony hampahafantarina antsipirihany ny mpilalao sy ny mpankafy satria lasa adihevitra be hatrany ny tahaka izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT