Sport

Sayha Seha Malagasy milalao ao amin’ny Olympique de Marseille


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Nantsoin'ny mpanazatra Igor Tudor hanatevina ny ekipa A ny Olympique de Marseille any Frantsa i Sayha Seha amin'izao ao anatin'ny fanomanana ny tapan'ny faharoa ny taom-pilalaovana ao amin'ny Ligy 1.

Malagasy ray sy reny zanak'i Farafangana i Sayha Seha. 17 taona izy amin'izao, teraka ny 15 janoary 2005 tany Troyes Frantsa. Teo amin’ny faha-6 taonany i Seha no niditra tao amin’ny klioba ESTAC. Mpilalao matihainina nanomboka teo amin’ny faha-16 ary efa in-droa voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay latsaky ny 16 taona sy 17 taona. Efa voaantso nanatevina ny ekipam-pirenena malagasy Barea U-23 ihany koa izy. Nilalao tao amin'ny ESTAC Troyes i Seha teo aloha ary ny 17 aogositra 2022 izy no nifindra ao amin’ny Olympique de Marseille, klioba ilalaovany amin’izao fotoana.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT