Sport

Savorovoron’ny fanatanjahantena Malagasy Miantso ny minisitra handray andraikitra ny C2RFM


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Iray volona izay no nahatongavan’ny taratasin’ny FIFA tao amin’ny filoha vonimaikan’ny FMFmikasika ny hampiaatoana ny fifidianana an’ireo tompon’andraikitra hitantana ny baolina kitra Malagasy (seksion, ligy ary federasiona) raha mifaraka amin’ny lalàna Malagasy noho ny fitarainana marobe voaarain’izy ireo any Zurich.

 

Io lalàna io dia tsy inona fa ny 97-014 izay manome andraikitra ny minisitry ny spaoro Malagasy hanara-maso ny fitantanana fanatanjahantena eto amintsika amin’ny ankapobeny. Voalaza anefa matetika fa manao “ingérence” raha vao miditra amin’izany ny minisitra. Ekena, hoy ry zareo ao amin’ny C2RFM na Comité de la Renaissance et de Développement du Football Malagasy tarihan’i Ali Michel, fa manana « Autonomie de gestion » feno ara-pitantanana ireo « mouvements sportifs » samihafa nefa na izany aza dia mazava koa fa izay « automie » izay dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny lalàna velona ao amin’ilay firenena. Aminay izany dia voakasiky ny fampiatoana daholo na ireo fifidianana efa vita teo aloha aza ka mila haverina daholo izany ary mila “code electorale” vaovao sy olona vaovao maro raha te hampandroso ny baolina kitra Malagasy. Voalaza ao anaty “Manuel d’administration sportive” nosoratan’ny CIO fa fanabeazana sy fitaizana olona ny fanatanjahantena ka manantena an’izay fandraisana andraikitry ny ministeran’ny spaoro izay ny C2RFM sy ny mpitia fanatanjahantena Malagasy rehetra.

 


 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT