Sport

Savorovorom-baolina Tsy hihaona indray i Madagasikara sy Ghana


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Namoaka fampitam-baovao ofisialy ny federasionin’ny baolina kitra Ganeanina, fa hisy ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Black Star ekipam-pirenen’izy ireo amin’i Qatar izay handray ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny 12 oktobra ho avy izao.

 

 

 

 I Qatar izay handray ny “mondial 2022” no nasolo an’i Guinée Equatoriale, ka any Antalya Turquie ny lalao no hatao satria any rahateo ny Black Star no manao fanomanan-tena. Ny alakamisy 29 septambra teo anefa, dia nisy ny fampalalam-baovao nataon’ny Mpanazatra Nicolas Dupuis fa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’i Ghana isika amin’io 12 oktobra io noho ny fanampiana avy amin’ny Filoham-pirenena, ary handeha amin’ny fahitalavitra TVM. Eo amin'ny 100.000 Euros ny vola lany amin’ny fandehanana any Maraoka amin’ny lalao saika hatao amin’i Burkina Faso. Votso-droa izany isika amin’ny lalao ara-pirahalahiana, ary karazan’ny afa-baraka tamin’ny Firenena Maraokanina izay efa nandefa taratasy ofisialy niantefa tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny FMF ny 28 septambra fa nankatoavina ny fampiantranoan’io firenena io ny lalao ara-pirahalahiana amin’ny Burkinabe. Voalaza aza, fa efa niomana sy nanao famandrihana io firenena io. Ilay lalao hifanandrinana amin’ny Swift Hesperange izany sisa tsy votsotra. Mangina sy tsy re feo ny FMF ankehitriny, tsy mamoaka fampitam-baovao ofisialy. Misy hatrany ny olana, ary toa tsy mety milamina efa ho 20 taona ny fitantanana ny kitra Malagasy. Any amin’ny ekipam-pirenena no miantraika ny tsy fahaiza-mitantana na ny fifanenjehana eo amin’ny samy tompon’andraikitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT