Sport

Savorovoro teny Mahamasina Nanaiky ny FMF fa nisy lesoka ny fikarakarana


  • Talata 11 Septambra 2018

Nanambara ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriamiasasoa Doda fa izay tokony ho zakan’ny kianjaben’i Mahamasina ihany ny tapakila natonta tamin’iny fifaninanana baolina kitra nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Liona sonegaley tamin’ny alahady farany teo iny.

 

Noho ny fahabetsahan’ny mpijery baolina tsy tafiditra dia tsy maintsy novohana sy novakiana ny varavarana ary raha tsy natao izany dia mety mbola ho loza be no niseho, hoy ny filoha. Nanazava ihany koa ny federasiona fa efa nisy ny lamina maty paika nanetsehana ny mpitandro ny filaminana saingy tratran’ny patsa iray tsy omby vava izy ireo ka tsy afa-nanoatra. 600 eo ho eo mantsy izy ireo no niandraikitra ny tao amin’ny kianja anatiny ary 150 no niantsoroka ny tany ivelany saingy tsy voafehy ny toe-draharaha. Olana ny fahalanian’ny tapakila aloha loatra ary saika nividy lafo avokoa ireo olona somary tratra aoriana kanefa mbola saika tsy tafiditra. Ao ny nividy ny tapakila 10 000 Ar na 15 000 Ar raha toa ka tokony hovidina 5000 Ariary. Nanambara ihany koa ny tompon’andraikitra fa efa fantatra ny hamaroan’ny olona ho avy kanefa niampy trotraka ireo mpibizina tapakila. Ankoatra izay, nitaraina ny federasiona ny amin’ny vola mivoaka betsaka loatra noho ny antony maro samihafa tahaka ny fandoavana ny saran-dalan’ireo mpilalao miasa any andafy miisa 18 miaraka amin’ny staff 3. Mahatratra 1 500 000 Ar eo ho eo ny sarandalan’ny mpilalao iray miakatra mankaty Madagasikara ary niantohana ny hotely sy ny sakafon’izy ireo ankoatra ny vola omena amin’ny baolina tafiditra kanefa mbola hita ho miady irery ny federasiona. Manoloana ny baolina kitra nifanandrinan’i Madagasikara sy Sonegaly tamin’ny farany teo dia niaiky tanteraka ny filohan’ny federasiona fa misy ny lesoka tamin’iny fikarakarana iny ary nanambara izy fa na dia nisy aza izany dia fitiavana ny Malagasy ireny fa sanatria tsy fitiavam-bola. Manoloana ny namoizan’ain’ny ny tovolahy iray noho ny fifanosehana tetsy Mahamasina dia nilaza izy ireo fa handray an-tanana ny zavatra rehetra mahakasika ny voina.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT