Sport

Savate Boxe Française Fantatra ireo tompondakan’i Madagasikara 2018


  • Talata 29 Mey 2018

Nandritra ny 3 andro, ny zoma 25 sy sabotsy 26 ary alahady 27 mey tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ny taranja Savate Boxe Française nokarakarain’ny FMSBF & DA na Federation Malagasy de Savate Boxe Française & Discipline Associée tarihan’ny filohany,

 

Campa Rivo Louis Amédée. Ligy 8 amin’ny 11 misy eo amin’ity taranja ity no nandray anjara dia Analamanga, Atsimo Andrefana, V7V, Boeny, Itasy, Menabe, Atsinanana ary Vakinankaratra ka 7 vavy ary lahy 8 teo amin’ny sokajy minime, vavy 6 sy lahy 15 no teo amin’ny sokajy cadette sy cadet, vehivavy 3 sy lahy no nandray anjara tamin’ny Assaut Junior, vavy 3 sy lahy 23 teo amin’ny combat Junior ihany, lahy 12 teo amin’ny assaut Sénior ary vavy 2 sy lahy 16 teo amin’ny combat  Sénior.

Ireo tompondaka 2018 : Ravolalaina (Analamanga), Angela (Vakinankaratra), Nomena (Analamanga), Emelie (Analamanga), Mampisaina (Atsimo Andrefana), Hirnot (Analamanga), Tahiry (Analamanga), James (Boeny), Safidisoa (Analamanga), Nambinina (Analamanga), Anita (Vakinankaratra), Sarobidiniaina (Analamanga), Natrehina (Vakinankaratra), Gaël (Atsinanana), Mario (Analamanga), Jhonny (Vakinankaratra), Venance (Boeny), Midance (Atsimo Andreafana), Tadjidine (Itasy), Jessi (Analamanga), Antsaniony (Analamanga), Simone (Vakinankaratra), Fifaliana (Analamanga), Fano (Analamanga), Léonnel (Analamanga), Tsonasy (Boeny), Santatra (Analamanga), Carron (Boeny), Gillette (Atsimo Andrefana, Ratoanina (Boeny), Herizo (Analamanga), Safidy (Analamanga), Ronaldo (Boeny), Hajaniaina (Boeny), Germain (Boeny), Kevin (V7V), Anjara (Analamanga), Renehake (Atsimo Andrefana), Rija (Vakinankaratra), Sadimanana (Analamanga), Jean Jacky (Analamanga), Nikita (Atsimo Andrefana), Lalatiana (Analamanga), Laza (Vakinankaratra), Hery Marc (Analamanga), Patrice (Boeny), Lido (Atsimo Andrefana), Jean (Itasy), Rabetrena (Analamanga).

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT